1 Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.

2 Hahery ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.

3 Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.

4 Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny*.[Na: Izy]

5 Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.

6 Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.

7 Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony.

8 Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy.

9 Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.

10 Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.
